Ho lasa mpandraharaha afaka manome lanja sy mampitombo ny fidiram-bolany. Io no tanjona mandritra ny hetsika « Rodorodon’ny tantsaha » andiany fahefatra, atao etsy amin’ ny Kianjan’ ny Makis Andohatapenaka, hatramin’ny 23 aogositra. “Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tantsaha”, hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, omaly, nandritra ny fanokafana ny hetsika. Vina ny hampivoatra ny tantsaha malagasy ho lasa mpandraharaha ara-pamokarana, araka ny nambarany. Kendrena ny hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ireo dingana amin’ny rojom-pihariana samihafa. Izany hoe, manomboka amin’ny famokarana hatramin’ny fivarotana ny vokatra mba hisitrahany ireo tombontsoan’ny seha-pihariany. Ankilany, sehatra iray hifanakalozan’ireo tantsaha ny hetsika ka hahafahany mampahafantatra ny vokatra ataony, hanitarany ny tambajotrany, hifanakalozany traikefa, mitady mpiara-miombon’antoka ary manitatra ny tsena. Ankoatra izay, miantso ny rehetra hividy sy hanjifa ny vokatra avy eto an-toerana ny tantsaha mba hanohanana ny mpamokatra sy hampiroboroboana ny toekarem-pirenena. Marihina fa mamelona ny rojom-pihariana iray manontolo ny fanjifana ny vokatra malagasy, manampy ny mpandraharaha hikaroka vokatra vaovao ary mampihena ny fiankinandoha amin’ny fanafarana entana any ivelany ihany koa.
Henintsoa




