Vata mpanova herinaratra miisa 36 no hampiakaran’ny Jirama tanjaka ary 16 no vao ho apetraka hanatsarana ny famatsiana herinaratra eto amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Anisan’ny hisitraka ny tetikasa i Maibahoaka, Besarety, Tsaramasay, Avaradoha, Tsiadana, Sabotsy Namehana, Iavoloha, Anosy Avaratra, Morarano, Ambohipo, Ampangabe, Saropody, Talatamaty, Andohatapenaka, Ivato Firaisana ary Soavina.
Hotanterahina ny 2 hatramin’ny 4 oktobra, ao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ny
« Festival des œufs » andiany fahadimy. Hetsika fanao isan-taona izy ity hanomezana lanja ny famokarana eny ifotony, vokarin’ny tantsaha mpamokatra. « Hanamarika ny fotoana ihany koa ny fifanakalozan-kevitra hampandrosoana hatrany ny sehatry ny famokarana atody sy ny fiompiana akoho. Filamatra ihany koa ny hitondra anjara biriky hanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo », hoy ny mpikarakara.
Miroso amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny Jono sy ny fiompiana anaty rano (Code de la pêche et de l’aquaculture) ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, araka ny filan’ny sehatra ankehitriny. Tanjona ny hananana lalàna maoderina, mazava ary mifanaraka amin’ny vina apetraky ny minisitera. Hiantohana ihany koa ny tombontsoan’ireo mpisehatra rehetra voakasika sy ho fiarovana maharitra ny harena anaty rano.




