Amoron’i Mania : Mandalo fotoan-tsarotra ireo mpamboly orge

Sahirana ireo tantsaha mpamboly orge noho ny resaka hetra. Nihena ny velarantany hambolena azy sy ny isan’ny mpamboly.

Asa fivelomana mihitsy ny fambolena orge any amin’ny kaominina Anjoma Manandriana, Faritra Amoron’i Mania fa tsy voly avotra intsony nanomboka ny taona 1996, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna, Fenonantenaina Honoré Patrick. Mivelona amin’ ity fihariana ity ny 90% ny mponina. Misedra olana anefa izy ireo, ankehitriny, satria mi­dangana ny hetra alain’ny fanjakana amin’ny orinasa mampiasa ny orge ho akora fototra. Vokany, nihena ho 1600 ha si­sa ny velarantany volen’ny tan­tsaha miisa 15 000 raha toa ka 20 000 izy ireo eto Madagasi­kara. Nihena ho 5 000 ny isan’ny tantsaha ary ahina mbola hi­tohy izany fihenana izany. Nilaza Andriamangazafy Mamy Rolland, mpamboly any Anjo­ma Manandriana, fa «raha efa zatra namboly orge 30 ara aho taloha, tsy maintsy nahenako 10 ara sisa. Satria nihena ny fatran’ny vokatra alain’ny ori­­nasa amin’ny tantsaha. Ni­dina ny fari-piainanay tantsaha ary manahy ny hoavinay izahay”.

Iankinan’ny fiainana

Nanazava Ramatoa Razoeliarisoa Isabelle, tantsaha any Anjoma Manandriana, fa « anton’asanay ny fambolena orge, iankinan’ny fiainanay. Ity no nahafahako namelona sy nampianatra ireo zanako. Tena sahirana sy mijaly izahay amin’izao fotoana fidiran’ny mpianatra izao. Vokany, atahorana hirongatra ny tsy fandriampahalemana aty ambanivohitra noho ny tsy fisian’ny asa”. Manoloana ireo, mangataka ny hijeren’ny mpitondra sy ny solombavambahoaka akaiky ity raharaha ity izy ireo. “Mangataka amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ihany koa mba hihaino ny fitarainanay, satria potika ny antom-pivelomanay», hoy ihany Ramatoa Isabelle.

Njaka Andriantefiarinesy

 

Partager sur: