Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny varotra. Manamafy izany ny Salon de l’industrie et du commerce “IN-CO 2026” izay manasongadina ny fampiroboroboana ny fanodinana ireo harena eto an-toerana. Eo koa ny fampiasam-bola sy ny famoronana asa. Nisokatra eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, nanomboka omaly ka haharitra telo andro, ny hetsika. Ankilany, sehatra iray hifanakalozan-kevitry ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ireo mpisehatra eto an-toerana izy ity. “Zava-dehibe ny hampiakarana ny lanjan’ireo harena vokarina eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fanodinana azy eto an-toerana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Tatamiarisoa Manankoraisina Landry. Kendrena, hoy izy, ny hampitomboina ny sanda fanampiny amin’ireo vokatra mba hahafahana mamorona orinasa matanjaka sy afaka mifaninana. Manohana izany vina izany ny Pacte de programmation industrielle sy ny Programme de partenariat pays Madagascar (PCP).
Henintsoa




