Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fampiatoana vonjimaika ny haban-tseranana sy ny hetra amin’ny vary afarana avy any ivelany. Tanjona ny hiantohana ny fahampian’ny vary eny an-tsena, indrindra mialoha ny hidirana amin’ny vanim-potoan’ny maitsoahitra. “Tsy mbola ampy hamaliana ny filan’ny mpanjifa ny voka-bary misy eto an-toerana ka nahatonga ny fandraisana fanapahan-kevitra mba hamenoana ny banga eo amin’ny famatsiana”, hoy ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana. Notsindriny manokana fa tsy hisy fanafarana gaboraraka fa hotohizana ilay fepetra nihatra nanomboka ny volana marsa teo. Mila manambara mialoha eny amin’ny minisitera ireo mpandraharaha raha maminavina hanafatra vary. Anjaran’ ny minisitera kosa ny manombana sy mamaritra ny habetsaky ny vary azo hafarana mba hisorohana ny gaboraraka.
Manohana ny tantsaha
Ankilany, nanome toky ny tantsaha ny minisitra fa tsy mitanila ny fanjakana raha nandray iny fanapahan-kevitra iny, manoloana ny fitotonganan’ny vidin’ny vary akotry teo aloha. Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana, hoy izy, ny hiala tsikelikely amin’ny fiankinandoha amin’ny vary avy any ivelany. Misy ihany koa ny fepetra hanohanana ny mpamokatra eto an-toerana. Mividy ny vary akotry eny amin’ireo mpamokatra izany ny orinasam-panjakana SPM. Mifamatotra amin’izay ny fepetra vaovao momba ny fifaninanana. Marihina fa nivoaka ny herinandro teo ny didim-panjakana mifehy ny fifaninanana ka hanaraha-maso ny vidin’entana sy hisorohana ny fanararaotana sy fakana tombony tafahoatra.
Henintsoa




