Noleran’ny olon-dratsy antsy teo akaikin’ny faritry ny fo, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray 34 taona tao Betafo, afakomaly. Nitety tsena ary nikasa hitodi-doha hamonjy fodiana, nobahanan’ny olon-tsy fantatra tampoka ny moto nentin’ilay lehilahy, ny alin’ny alarobia 19 hifoha ny alakamisy 20 aogositra teo. Nitondra vehivavy iray tamin’ny moto izy, araka ny loharanom-baovao. Nanambana antsy ireo roa lahy sady nitaky ny vola teny amin’ilay nitondra moto. Nanao tari-dositra kosa ilay vehivavy rehefa nahita ny fihetsik’ireo jiolahy. Lasan’ireo tsy valahara ny vola teny amin’ity lehilahy niharan’ny fandrobana ity. Voaroba koa ny taratasin’ny moto nentiny. Tsy namelan’ireo mpanao ratsy, noleran’izy ireo antsy tsy lavitry ny fony ilay mpivarotra. Tsy tana ny ain’ity farany vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. Navelan’ny mpandroba ny moto sy ny finday nampiasain’ity mpivarotra lasibatra ity. Araka ny fanadihadiana, nitety tsena tao amin’ny kaominina Ambohimasina izy izao nifanehatra tamin’ny mpanao ratsy izao. Miroso amin’ny fanadihadiana momba ity vonoan’olona mampiahiahy ity ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana.
Tsiferana R.




