Voka-panadinana bakalorea : 39,21% ny taham-pahombiazana ho an’i Toliara, 51,57% ho an’i Toamasina

Raha ny vokatra ofisialy ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea efa nivoaka hatramin’ny omaly, ny tany Toliara no ambany indrindra ny taham-pahafahana. Mbola andrasana ny eto Antananarivo sy Antsiranana.

Nivoaka omaly ny voka-panadinana bakalorea ho an’ny faritanin’i Tolia­ra, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitantana ny oniversite any an-toerana. Miisa 29 144 ireo mpiadina ka ny 11 427 no afaka fanadinana. Ma­nome ny taham-pahombiazana ankapobeny 39,21 % izany. Raha tsinjaraina araka ny so­kajy kosa ny vokatra, ny A1 ma­nana taham-pahafahana 59,95 %; A2: 37,15 %, C: 69,09 %, ny sokajy D: 39,24 %, ny L manana taha 55,05 %, S: 38,07 % ary ny OSE : 66,25 % . Ny teknika kosa nahazo taham-pahafahana 71,10 %. Ny sokajy C siantifika no nahitana vokatra ambony indrindra raha ampitahaina ny sokajy rehetra ho an’ny fampianarana ankapobeny. Nanana mpiadina 56 ny sokajy C nandritra ny fanadinana bakalorea ho an’i Toliara. Nisongadina kokoa ny vokatra ho an’ny fampianarana teknika sy teknolojika raha mitaha amin’ny fampianarana ankapobeny. Haseho eny amin’ireo foibem-panadinana tsirairay ny valim-panadinana. Voalaza kosa fa 75 ireo voakasika amin’ ny tsy fanarahan-dalàna ka tsy maintsy handalo conseil de discipline (filankevi-pifehezana). Hatao fanadihadiana ihany koa ireo tomponandraikitra ta­min’ny fampielezana ny valim-panadinana mialoha ny fotoana voatondro, hoy ny fanambarana nataon’ny tomponandraikitra.

51,57% ho an’i Toamasina
Omaly ihany koa no vita ny délibération ho an’ny faritanin’i Toamasina, tao amin’ny CEG Ratsimilaho. 51,57% ny ta­ham-pahafahana; 50,20% ho an’ny fampianarana ankapobeny, raha 76,23% ho an’ny fampianarana teknika sy teknolojika, araka ny fampahafantarana nentin’ny tomponandraikitra notarihin’ny filohan’ny oniversite, Dr Razanakolona Diny, omaly. Anio maraina, eny amin’ ny cathédrale medicine, no hi­roso amin’ny délibération ny mpampianatra mpitsara ho an’ ny eto Antananarivo, hoy ny tomponandraikitra. Hivoaka aorian’izay ny vokatra ofisialy.

Vonjy sy Sajo

Partager sur: