Fahaiza-mampiasa ny vaovao ara-toetr’andro : Niofana ny teknisianin’ny Faritra Androy sy Anosy

Ho fanatsarana ny fahaiza-mampiasa ny vaovao ara-toetr’andro, ho fiarovana ny mponina, nisy ny fiofanana ho an’ireo tomponandraikitra eny ifotony, mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary teknisianina.

Taorian’ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety sy mpanentana amin’ny onjampeo tao Vatomandry, nanohy ny fampiofanana ny ekipan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Tao Ambo­vombe no nanatontosana izany, nanomboka ny 19 ao­gositra hatramin’ny omaly. Tafi­ditra ao anatin’ny tetikasa “Pacte Vert” tanterahin’ny Sampandraharahan’ny Fire­nena mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD) ny hetsika. Nandray anjara ny manampahefana isam-paritra sy avy eo an-toerana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika, ireo teknisianina avy any amin’ny Faritra Androy sy Anosy. Tanjon’ny fiofanana
ny hahafahan’ireo manampahefana sy mpiara-miombon’ antoka mampiasa amin’ny fomba mahomby ny vaovao momba ny toetr’andro sy ny fampitandremana mialoha handraisana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony.
Noresahina ihany koa ny fomba fandikana sy fampitana ireo vaovao ara-toetr’andro, ny fomba hampiasana izany ho fototry ny hetsika mifanaraka amin’ny filan’ny vondrom-piarahamonina. Taorian’ny fio­fanana, antenaina ny hisian’ny fampiasana mahomby kokoa ny vinavinan’ny toetr’andro sy ny fampitandremana mialoha, hanatsarana ny fiomanan’ny vondrom-piarahamonina ma­no­loana ireo tranga ara-toetr’­ andro sy hanamafisana hatrany ny fiarovana ny mponina eny ifotony.

Ankoatra ny ny fiofanana, notanterahina tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny Foibe famantarana ny toetr’andro Ampandrianomby koa, ny fivoriana stratejika momba ny famolavolana ny tetiandro ho an’ny  taom-pambolena 2026–­2027. Kasaina ho atao amin’ny faran’ny volana septambra ho avy izao ny famolavolana ny tetiandrom-pam­bolena mifanaraka amin’ny vinan’ny taom-pahavaratra 2026-2027 hahafahan’ny tan­tsaha miomana mialoha sy mampifanaraka ny paikadim-pamokarany amin’ny toe-javatra ara-toetr’andro andrasana.

Vonjy

Partager sur: