MASACHAM : Hanandratra ny fifanakalozana i Madagasikara sy i Afrika Atsimo

Soa fanararaotra ho an’ny fampiasam-bola sy fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny malagasy mpandraharaha sy Afrika Atsimo ny Tranoben’ny varotra Madagasikara-Afrika Atsimo (Masacham). Vina iraisana ny hampiroboro­boana ny toekarena eo amin’ny firenena roa tonta.

Tetezana hampifandray ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana eo amin’ny firenena malagasy sy Afrika Atsimo ny Masacham. Tanjona ny hampiroboroana ny fifanakalozana sy hisari­hana ireo mpiara-miombon’ antoka any Afrika Atsimo, hanokafana tsena vaovao sy hampivelatra fiaraha-miasa amina’ ny sehatra samihafa. Mison­gadina manokana ny fifandraisana sy fifanakalo­zana eo amin’ireo mpandraharaha. Ni­voitra izany nandritra ny fampahafantarana ny Ma­sacham, omaly, teny An­taninarenina. “Kendrena ao anatin’izany ny hanova ireo tombontsoa ara-toekarena ho lasa tetikasa azo tanterahina. Hisy ny fampihaonana ireo
orinasa amin’ny firenena roa tonta, entina hampiroboro­boana ny fiaraha-miasa ma­haritra sy hampirisihina ny fampiasam-bola”, hoy ny filoha lefitry ny Masacham, Rabe­tsivoh Claudia. Tsindrina ma­nokana ny sehatry ny fambolena sy ny fanodinana sakafo, ny indostria ary ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Ta­fiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fizahantany, ny angovo, ny teknolojia, ny fitaterana ary ny tolotra sy tinady.

Rafitra
Ankoatra izay, ho sehatra hifanakalozan-kevitry ny tsy miankina sy ny fanjakana ny Masacham ka hitadiavam-bahaolana amin’ireo mety ho sakana amin’ny fifanakalo­zana ara-toekarena. Hifarim­bona sy hifanome tanana ireo tomponandraikitra samihafa hampivoarana ny tontolon’ny fandraharahana ho an’ny tombontsoa ara-toekarena. Tan­jona ny hametrahana an’i Madagasikara sy Afrika Atsi­mo, ho loharanon-karena sy soa fanararaotra ho an’ny fampiasam-bola sy fifampizarana traikefa.

Henintsoa

Partager sur: