Orange Madagascar : Manohana amin’ny sehatra niomerika

Natao tao amin’ny Orange Digital Center Fianarantsoa, omaly, ny hetsika “Master­class”. Ho tohin’ny fankala­zana nasionaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, ny 12 sy 13 aogositra izany. Hetsika nahasarika tanora maherin’ny 5 000. Tanjona ny hanome tantsoroka sy fahaiza-manao ho an’ny tanora, hahafahany mamadika ny hevitra ananany ho lasa tetikasa. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-piofanana karakarain’ny FabLab Solidarité Hay Tao ny ” De l’idée au pro­totype: imaginez, créez, tes­tez !” Izay mifantoka amin’ny famolavolana prototype. Fo­toana izay hahafahan’ireo tanora mampihatra avy ha­trany ny fahalalana noranto­viny. Din­gana faharoa ny ” Du code au business : transformez vos compétences en opportunités ”. Hetsika kararakarain’ny École du Code. Kendrena ny hanampiana ny tanora hampiasa ny fahaiza-manaony momba ny niome­rika mba ho lasa tetikasa.
Latsaky ny 35 taoana avokoa ny 70% ny Malagasy ary tsy an’asa ny 42%, araka ny antotanisa navoakan’ny Afro­ba­romètre, ny taona 2025. Ao anatin’izay, liana sy te handraharaha ny 63%. Ho an’ny Orange Madagascar, mampiseho ny fanamby sy ny maha loharanon-karen’ny tanora ireo tarehimarika ireo. ” Maha­ritra ny fanohananay ny ta­nora. Tanjona ny hanome sehatra ho azy ireo ka hahafahany mandrato fahalalana, mahazo traikefa ary hanohanana ireo hevitra anànany mba hitondrany zava-baovao sy tetikasam-pandraharahana”, hoy ny talen’ny Orange Digital Center Madagascar, Andrianalison Lalaina Nomen­tsoa.

Henintsoa

Partager sur: