Hiato ny famokarana ao amin’ny UTC 1000, ao Mandroseza, ka hampikorontana ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Hitohy hatramin’ny alatsinainy ny asa ary tanjona ny hampitombo ny habetsaky ny avoakan’ny paompy. Voakasiky ny tetikasa ny eny amin’ny Haute ville, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Amparibe, Mahamasina, Behoririka, Ankadifotsy, Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, Ankatso, Fort Duschesne. Eo ihany koa ny ao Antsahameva, Andraisoro, Ambohipo, Alasora, Ambohitsoa, Tanjombato, Ankaraobato, Isoraka, Itaosy, Ambohibao, Ambohidroa, Ambohijanahary sy ny manodidina.
Natomboka ny talata teo ny fitsirihana ara-teknina ny toerana hametrahana ny ozinina hamadika ny ranomasina ho rano fisotro madio. Tetikasa atao ao Ambovombe, dingana voalohany ny asa atao ny hametrahana “forage” miisa valo izay mahatratra 20 metatra eo ny halaliny. Tanjona ny hamantatra ny toetra ara-teknika sy ara-jeolojikan’ny tany.
Miroso ny fanarenana ny RN 13 mampitohy an’i Taolagnaro sy Betroka. Mamarana ny famenoana tany ara-teknika eo amin’ny rindrina fitazomana tany ao Isokaka ny ekipa mpanao lalana. Mandrakotra tara ihany koa ny PK 2+850 hatramin’ny PK 4+600 ary ny ao anatin’ny faritry ny DRTP Anosy. Mitohy ihany koa ny fandaminana sy fanalana ny rano hiantohana ny faharetan’ny lalana.




