Betroka : Tohodrano roa manondraka velarantany 500 ha

Mandeha ny asa fanamboarana fotodrafitrasa lehibe roa any Ivahona Andriry sy Ivazo, samy ao amin’ny distrika Betroka, faritra Anôsy. Tohodrano roa, afaka manondraka velarantany mitotaly 508 ha no vita, isitrahan’ny tantsaha maherin’ny 1 300. Any Ivahona ny iray, afaka manondraka velarantany 380 ha, ka mpamboly miisa 1 150 no hisitraka azy. Mahatratra 150 kosa ny tantsaha misitraka ny tohodrano faharoa, any Edazo, manondraka velarantany 128 ha. Notsindrin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, fa tsy ny fananganana fotodafitrasa no tanjona fa ny fampitomboana ny vokatra sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha. Manampy ireo, nojeren’ny minisitra ihany koa ny fizotry ny tetikasa Picas-1 any Agna­rafaly, kaominina Ifotaka, distrika Amboasary, Faritra Anôsy. Vinavinaina ho vita mialoha ny faran’ity taona 2026 ity ny asa.

Tany mirefy 2 000 ha
Fotodrafitrasa maro no hatsangana any, toy ny tsena kaominaly, ny trano fivarotana zezika, ny EPP, ny CEG, ny CSB2 ary ny biraon’ny zandary. Mirefy 200 ha ny tanimboly hajariana, azo hambolena legioma, hampidirana rano avy amin’ny reniranon’i Man­drare. Misy koa velarantany 2 000 ha hafa hajariana hamokaran’ny tantsaha. Ireo mponina nifindra monina, noho ny haintany no tena misitraka izao tetikasa izao.

Njaka A.

Partager sur: