Hitrotro am-bavaka ny dingana rehetra amin’ ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena eny amin’ny village Ivoara, amin’ny 25 aogositra tolakandro ho avy izao, ny foiben’ny Fiombonan’ny fiangonana krisitianina eto Madagasikara (FFKM). Hatolotra amin’ izany ireo mpandrindra nasionalin’ny ny fikaonandoham-pirenena.
Tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny lalàna 2026-005 momba ny politika fampiasana ny teny malagasy sy ny zo ara-piteny eto Madagasikara, araka ny fanapahan-kevitra lah. 16 navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy, tamin’ny 21 aogositra lasa teo.
Ambaran’ny fanapahan’ny HCC, Ambohidahy, tamin’ny 21 aogositra lasa teo, momba ny lalàna fehizoro lah. 2026-011 ny amin’ny Filankevitra ara-
toekarena sy sosialy ary kolontsaina fa mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana ireo teny hoe “na ireo filohan’ny Antenimiera” ao amin’ny And. 3, fehin-tsoratra voalohany, ka tsy maintsy esorina.
Nitsidika ny asa fanamboarana ao amin’ny Sekoly mpanofana manamboninahitra, ao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe, ny mpanolotsaina
avon’ny Fanavaozana, ny kolonely Rampanarivo Thierry. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ ny Akademia miaramila any an-toerana izao fitsidihana izao.




