Filohan’ny Fanavaozana : “Ny fihavanana no mampandroso”

Tontosa ny faran’ny herinandro, tao amin’ny kaominina Evato, distrikan’i Farafangana, ny fanamafisam-pihavanana teo anivon’ny fikambanana Tohitroky, ivondronan’ny foko valo.

“Sarobidy amiko ny fihavanana. Raha tsy mihavana sy mifankatia isika, tsy handroso izany i Madagasikara. Nozaraza­raina isika nanomboka tany amin’ny fanjanahantany.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, tamin’ny fitsidihan’izy mivady tao Tohi­troky Evato, Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ ny fanatrehana ny fanamafisam-pihavanana eo amin’ny foko valo any an-toerana. Eo ny foko Zafisoro, Antesaka, Rabatsara, Savoay, Zara­ma­nampy, Zarafanilia, Ante­vato, Betsileo.
Nisaorany ireo foko nanao izao fanamafisam-pihavanana izao. Satria zava-dehibe ny fihavanana. Aza mety zarazarain’ny olona… Rehefa niditra teto Madagasikara ny vazaha mpanjanatany, tamin’ny 18­96, nampihatra ny hoe: “Zara­zarao hanjakana.” Mbola izay no iainana amin’izao. Mbola mizarazara sy manaiky zarazaraina… Ampiadian’ny olona. Izay no mampahantra. Izay no mahatonga an’i Madagasikara tsy mety mandroso. Aoka tsy hozarazaraina koa amin’izao fotoana izao. Ny mpanao politika ihany no mampizarazara. Ao anatiny izy, araka ny nambarany. Miaraka mifampitantana sy mifankatia mampandroso ny tanàna…
“Izaho, tsy Avi aho, fa ny asa vita no ifampitsarana”, hoy izy. Natao ny fitokanana lalana 5,2 km izay misy rari­vato ary ao ny vita tara. Nano­lotra vola 50 tapitrisa Ar ho solon’omby ho an’ny ampanjaka sy ny tanàna amin’ny fanamafisam-pihavanana ny filoha. Teo koa ny fanoloran’ny fitondram-panjakana, ta­min’ny alalan’ny minisiteran’ ny Fahasalamana, fiara tsy mataho-dalana enina ho an’ny fitaleavam-paritry ny Fahasa­la­mam-bahoaka sy moto 115 ho an’ny fitaleavam-paritra Atsimo Atsinanana.

R. Nd.

Partager sur: