Fitrandrahana volamena : Tsy azo ampiasaina ny merkiora

Anisan’ny tena ahitana fitrandrahana volamena (AMEA) any amin’ny kaominina Antanimbary, distrika Maevatanàna, Faritra Betsiboka. An’arivony ireo mpitrandraka madinika any, nidina ifotony ny fanjakana nanentana azy ireo.

Nampahafantatra ireo mpisehatra amin’ny volamena ny lalàna ny minisitera foibe avy aty Anta­nanarivo, nahitana ny mpanolotsaina teknika, ny tale jeneraly ny Ivontoerana momba ny volamena, niaraka tamin’ny tomponandraikitra ao an-toerana. Nampirisihina ireo mpitrandraka sy ny mpanangona volamena hiditra anatin’ny ara-dalàna. Nentanina ko izy ireo tsy hampiasa intsony ny akora merkiora, izay tena manapotika ny tontolo iainana sy ny renirano, satria miantraika any amin’ny fahasalamana sady ho fanatsarana ny famokarana. Tetikasa iarahana amin’ny “Planet Gold” moa no hanatanterahana izany. Noha­mafisin’ny mpanolotsaina teknikan’ny minisiteran’ny
Ha­rena an-kibon’ny tany ta­min’ireo mpisehatra amin’ny volamena fa fanampiana sy fandrindrana ary ho fiarovana ny tombontsoan’ny rehetra amin’ny asa fihariany no an­ton’ity fihaonana ity. Tanjona ny hahalalana sy hamantatra ny fihaviana sy ny lalam-bolamena manaraka ny rojom-pihariana, manomboka any amin’ny fitrandrahana, ny fivarotana amin’ny Ivontoerana ary miafara amin’ny fanondranana any ivelany. Hotante­rahina manerana ny Nosy ity hetsika sy fanentanana ataon’ ny minisitera ity.

Milina vaventy
Ankoatra izany, faritra tena ahitana fitrandrahana vola­mena ihany koa any Manan­jary. Efa marobe ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna miafara amin’ny fanagiazana ny milina sy ny fitaovana vaventy ataon’ ireo mpitrandraka, indrindra ny teratany vahiny. Anisan’ny paikady vaovao nampiharin’ny fitondram-panjakana ny nanokafana indray ny fanomezan-dalana hitrandraka volamena. Araka ny lalàna vaovao, tsy maintsy misy sady arahina ny bokin’andraikitra. Tsy maintsy misy ny asa sosialy eny ifo­tony (RSE) ataon’ny manana fahazoan-dalana. Sokajiana ho harena stratejika ny volamena, ka azony atao ny miditra sy manara-maso ny fitrandrahana ary azo ataon’ny mpitrandraka ny miara-miasa aminy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: