Ady fiady

 

Mahabe resaka sy adihevitra ny sasany amin’izao ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa tsy araka ny lalàmpanorenana ny lalàna momba ny politika amin’ny fampiasana ny teny eto Madagasikara. Mbola ady fiady… Raha ny lalàmpanorenana, ny teny malagasy no tenim-pirenena. Nefa amin’izao, tsy azo ampiasaina amin’ny raharaham-panjakana: didy aman-dalàna, teny mita… Inona moa izany? Misy ny malahelo, kivy ambony ihany… Any Frantsa ve, hono, ohatra, dia teny vahiny hafa no ampiasainy amin’ny raharaham-panjakana? Na kabarim-panjakana io, na didy aman-dalàna, na teny mita…
Hahagaga ve, ohatra, raha misy ny elanelana be eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka? Tsy mifankahazo tsara fa lasa tsy mifampatoky, zary sarotra sy ela ny hoe fampandrosoana… Tarazo ratsin’ny fanjanahantany no antony? Fanjanahan-tsaina fotsiny izao… Amin’izany, ireharehan’ny sasany ary zary fahamboniana ho azy aza ny tsy fahaizana ny tenin’ny tena: tsy mahamenatra izay fahadisoana, tsy toy ny fahafaham-baraka amin’izay mety fahadisoana amin’ny fampiasana teny vahiny. Ny saina no voa? Manahirana, sarotra arenina… Mandra-pahoviana? Amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao, mbola ady fiady izay fampiasana ny tenin’ny tena izay. Mila hiadiana mafy any amin’ny fikaonandoham-pirenena. Toy izay nataon’ireo mpandala ny maha malagasy tamin’ny nandrafetana ny volavolan-dalàmpanorenan’ny Repobilka III, tamin’ny taona 1992. Tamin’izany no nampidirana ny hoe ny teny malagasy no tenim-pirenena.
Ahoana ny amin’izao? Mila manapa-kevitra ireo mpandala tenin-drazana hiady hatramin’ny farany, miray hina, sahy, tsy manaiky lembenana na tsy fidiny… Ady fiady io ho amin’ny fiandrianampirenena, tombontsoam-bahoaka, fampandrosoana… Alao hery àry!

R. Nd.

Partager sur: