Antenimierampirenena : Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana

Hiroso amin’ny fivoriana tsy ara-potoana ny eo anivon’ny Antenimierampirenena manomboka anio. Maromaro ireo volavolan-dalàna hodinihina mandritra izany.

Araka ny didim-panjakana nivoaka ny 21 aogositra lasa teo, anio talata 25 aogositra no hanomboka ny fivoriana tsy ara-po­toana eo anivon’ny Anteni­mierampirenena. Volavolan-dalàna 8 no hodinihina mandritra izany. Anisany ny volavolan-dalàna fanomezan-dàlana ny fankatoavana ny fifanarahana fameno momba ny fitantanam-bola sy ny fampiasam-bola hamokarana eo anivon’ny Vondrona fampandrosoana ny Atsimon’i Afrika (SADC),  ny fifehezana ireo lahasa mifandraika amin’ny kilalao ara-bola sy ireo orin-draharaha mampilalao. Eo ihany koa ny volavolan-dalàna enti-manova sy mameno ireo fepetra sasantsasany amin’ny lalàna lf 96-029, tamin’ny 6 desambra 1996, novaina sy nofenoin’ny lalànà lf 98-030, tamin’ny 20 janoary 1999, anaovana ny Sata ankapoben’ny Miaramila.
Hodinihina ny mahakasika ny fampiasana azo antoka, voaaro sy am-pilaminana ny teknolojia nokleary eto Madagasikara, ny mahakasika ny serasera elektronika sy ireo fotodrafitrasa niomerika. Horesahina ao ihany koa ary anisan’ny andrasana ny hanavaozana manontolo ny lalàna mahakasika ny ady amin’ny fandikan-dalàna ana habaka ary ny fanomezan-dalana ny fifanarahan’ny Firenena mi­kambana hiadiana amin’ny fandikan-dalàna ana habaka antsoina hoe « Fifanarahan’i Hanoï », Hanoï Vietnam, ny 25 oktobra 2025. Raha araka ny lalàna, haharitra 12 andro fara fahelany ity fivoriana tsy ara-potoana ity.

Mi.Raz

Partager sur: