Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena, hampivoarana ny fandraharahana sy hanohanana ny indostria malagasy.
Nifampidinika momba ny handrindrana ireo asa iarahana amin’ny tetikasa Pôles intégrés de croissance (Pic) ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny minisitry ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Ny Riana Nampoina, omaly. Nojerena tao anatin’izay ny hampifanarahana ny asa amin’ireo laharam-pahamehan’ny minisitera sy hahazoana vokatra mifanaraka amin’ny filàn’ny mpamokatra. Nivoitra tao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ny fanohanana ny indostria malagasy, ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ary ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola tsy miankina. Misongadina manokana ny hanamafisana ny anjara toeran’ny sehatra tsy miankina amin’ ny toekarena. Tanjona ny hahafahan’ny orinasa sy ireo mpandraharaha mampiroborobo ny asany, mampitombo ny vokatra ary mamorona asa.
Miara-misalahy
Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny MIDSP, ny Banky iraisam-pirenena. Kendrena ny hahazoana vokatra mivaingana ho an’ny sehatry ny mpamokatra sy ny orinasa an’ireo tetikasa tohanana iarahan’ny roa tonta. Singanina manokana ny sehatry ny famoronana asa, izay andry iankinan’ny toekarena sy ny fampandrosoana ny firenana. Heverina fa hampiroborobo ny indostria sy ny sehatra tsy miankina ary hanohana ny toekarena ny fiaraha-miasa hatao.
Henintsoa




