FANTINA sy FINTINA

Hamory ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy eto Antananarivo, ny filohan’ny Fanavaozana, araka ny nambarany nandritra ny kabary nataony tany Evato, distrikan’i Farafangana, ny faran’ny herinandro teo. Fandinihana izay hampandrosoana ny firenena no tanjona amin’izany fihaonana izany.

Am-perinasa tanteraka ny Vaomiera mpanao fanadihadiana parlemantera momba ny fitantanana ny volam-panjakana nandritra ny fitondran’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Filohan’ny vaomiera ny depiota voafidy tany Vaingaindrano, Mahavitara Sylvestre. Eo ny amin’ireo tetikasan’ny filoha, ny fitantanana ny Covid-19, ny tsenambaro-panjakana…

Tafatsangana ny Rafitra ifotony fikaonandoha (Rif) eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Misy fiarahamonina sivily ao, mpandraharaha, tanora, vehivavy, antoko politika… Sehatra ifanakalozan-kevitra ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny Rif.

Tsy mbola vonona amin’ny rafi-panjakana federaly i Madagasikara, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny Antoko maitso hasin’i Madagasikara, Alexandre Georget, omaly. Ny tsy fisian’ny finiavana politika no tsy nampandroso ny firenena fa tsy ny rafitra fanjakana tokana. Ny fitsinjaram-pahefana tena izy tena mipaka any ifotony no tokony hatao.

Partager sur: