Minisitry ny Fitsarana : “Miezaka miaro ny fanjakana tan-dalàna izahay”

“Miezaka hatrany miaro ny fanjakana tan-dalàna izahay, miezaka ihany koa mijery izay mandika lalàna, indrindra miezaka miaro ny olona amin’ny tsaho sy ny honohono”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tany Mananjary, ny faran’ny herinandro, tamin’ny fidinana ifotony ny fisian’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna volamena tany an-toerana. Misy tokoa ny fitrandrahana tsy ara-dalàna eny an-toerana, fa tsy araka izay lazaina hoe izy no naniraka… Tonga teny an-toerana izy, ary entina eo anoloan’ny fitsarana izay mandika lalàna. “Tsy ekenay ny fandikan-dalàna mitranga eo imasonay”, hoy izy. Misy heloka sy fandikan-dalàna maromaro izany hita teny an-toerana. Fitrandrahana tsy ara-dalàna tsy misy fahazoan-dalana hitrandraka. Misy ny fanimbana ny tontolo iainana, nanimba ny fandehanana voajanaharin’ny rano. Mety misy fiantrakany amin’ny fambolena ataon’ny olona eo amin’ny manodidina izany.
Misy fitrandrahana maromaro izay nidinan-dry zareo ifotony. Miezaka manao izay azo atao rehetra amin’ny fitondrana fanavaozana hahazoan’ny olona miditra amin’izay sehatry ny ara-dalàna izay amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny fitondram-panjakana. Hita tany an-toerana àry ireo fitaovana maromaro nampiasaina hitrandrahana tsy ara-dalàna volamena. Nefa nahazoan-dalana amin’ny fikarohana ihany ny toerana, fa tsy azo anaovana fitrandrahana. Nefa nitrandraka avy hatrany ny olona nampiasa ireo fitaovana ireo. Nojerena koa tao ambadika fa navily lalana ny renirano, avy aty ankavia nafindra any ankavanana. Mety hitarika ny fahasimban’ny tontolo iainana izay familiana lalana ny renirano izay. Voararan’ny lalàna izany ary voafehin’ny fahazoan-dalàna momba ny tontolo iainana.

R. Nd.

Partager sur: