Natomboka tany Miarinarivo, Faritra Itasy, ny 21 aogositra teo, ny fikaonandoham-paritra momba ny tetibola (CBR 2026). Tanjona ny hananan’ny faritra anjara toeana lehibe ao anatin’ny Tetibolam-panjakana 2027. Natao izany, hamaliana ny filàna sy ny laharam-pahamehana eny ifotony. Hampifandraisana bebe kokoa ny zava-misy sy ny fandrindrana ny tetibolam-panjakana ankapobeny, hifandraika amin’ny isam-paritra.
Nohamafisin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, nandritra ny fanokafana ny fotoana, fa tokony hiorina amin’ny fitondrana tsara tantana ny fitsinjaram-pahefana ara-tetibola. Hanampy amin’ny famaritana ireo tetikasa sy fandaharanasa tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny faritra izany. Zava-dehibe ny fandaniana mitondra vokatra. Hifantohana ireo sehatra mampiroborobo ny famokarana, mamorona asa ary manatsara ny fiainan’ny mponina. Laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa ara-toekarena sy ny angovo ary ny fanohanana ny sehatra tsy miankina.
Loharanom-bola anatiny
Etsy ankilany, entanina ny faritra sy ny kaominina hampitombo sy hampiroborobo ny loharanom-bola ao aminy fa tsy hiantehitra amin’ny famatsiambolam-panjakana ihany. Ilaina ny fandoavan-ketra, anisan’ny loharanom-bola hamatsiana ny asa sy ny tetikasa fampandrosoana izany. « Enga anie, ho tena vahaolana hanova ny fiainan’ny vahoaka miainga eny amin’ny Faritra izao fihaonana izao », hoy ihany ny minisitra. Hitohy any amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara ity notanterahina tany Itasy ity.
Njaka A.




