Aleo hifanatrehana

 

Andrasana fatratra amin’izao ny fanatanterahana fikaonandoham-pirenena. Mby aiza? Na ny tetiandro fanatanterahana, izay fomba hanaovana azy, ny lohahevitra hikaonan-doha, izay ho mpandray anjara… Mila fanazavana amin’ny antsipiriany sy manontolo hisian’ny fifampitokisana. Lazaina izay atao, atao izay lazaina. Mba tsy hihemo-dava ka zary mampieritreritra sy mampiherikerika. Ny fikaonando­ham-pirenena no hiantoka ny hoavin’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy ary ny tantara sy ny taranaka ho avy. Hanao ahoana? Indrindra ny amin’izay tsy hiverimberenan’ny krizy na korontana politika intsony. Ny politika no antony? Na ny fomba fanaovana politika, ny mpanao politika… Hatramin’izay, matoa miverimberina tsy mahafa-bela ny krizy politila: nanjaka ny adilahy politika, ady tombontsoa, samy te ho lohany, tsy fanarahan-dalàna…
Tsy vitan’izany, saika ny olan’ny mpanao politika hatrany, ohatra, no novahana, raha misy fikaonandoha sy fifanara­hana. Hisy amin’izay ve ny fanovana amin’izao hoe fanavaozana izao? Mba tsy hevitra voaomana mialoha ny fikaonandoham-pirenena fa zary fombafomba fotsiny sisa, na hiova na hovaina eny an-dalana ho amin’ny tombontsoan’olom-bitsy mivolon-ko tompony sy mifandova fanjakana ny raharaha… Tena hatao ny fanovana na fanavaozana? Vahaolana maharitra, azo antoka, mahomby, mampan­droso… Miainga any ifotony, tsy misy hevitra ailika na ovaina an-dalana… Mila saro-piaro sy manaraka akaiky ny amin’ izany ny mpandray anjara hatrany ifotony?
Mba atao koa izay lazaina, fa tsy ampandriana adrisa amin’ny karazana fampanantenana sy fampilendalendana fotsiny. Manomboka amin’izany ny fanovana na fanavao­zana? Ho hita eo… Lazaina izay atao, atao izay lazaina. Aleo hifanarahana, hifanatrehana?

R. Nd.

Partager sur: