Akora fototra amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera ny zavamaniry orge. Nihena ny fambolena satria niakatra ny hetra « droit d’accise » alaina aminy.
Mangataka ny tokony hijerena manokana ny olana sedrain’izy ireo, ireo mpamboly orge any amin’ ny faritra Amoron’i Mania. Anisan’izany Randrianantenaina Solondraibe Jean, mpamboly orge any Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania. Nohazavainy fa : « nihena ny velarantany azo volena, vokatry ny fihenan’ny famandrihana ilain’ny orinasa mampiasa ity akora fototra ity. Ho rava ny fidiram-bolan’ny fianakaviana maro aty ambanivohitra. Fototra iray manohana ny toekarenanay tantsaha ny fambolena orge, ny fampianarana ny ankizy, fa indrindra ahafahana miomana ho any vanim-potoana fambolena ho avy ».
Nambaran’ny ben’ny Tanàn’ny kaominina Anjoma Nandihizana, distrika Manandriana, faritra Amoron’i Mania, Fenonantenaina Honoré Patrick, fa « tsy ny tantsaha ihany no very, fa voa daholo ny toekarena any an-toerana. Tsy mijanona amin’ny orge fotsiny ny voka-dratsin’ny fiakaran’ny hetra napetraka tamin’ny orinasa Star, fa niantraika hatrany amin’ny kaominina Manandriana. Voakasika mafy ny tsenan’ny orge sy ny mpamboly. Simba ny fari-piainan’ny tantsaha”.
Miantraika amin’ny kaominina
Nomarihin’ny ben’ny Tanàna, Fenonantenaina Honoré Patrick, fa miantraika hatrany amin’ny fandrosoan’ ny kaominina ity fahasimban’ ny sehatry ny orge ity. Satria, loharanom-bola anatiny ho an’ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny tamberim-bidy alaina aminy. Mizara ho an’ny faritra ny 40%, ary ho an’ny kaominina ny 60%. Manampy betsaka amin’ny famatsiam-bola ho an’ny fotodrafitrasa sy ny hetsika fampandrosoana samihafa anefa ireo. Manampy izany, hiha mahantra ny mponina, sady hihena ny fampiasam-bolan’ ny vondrom-bahoaka. Hihemotra ny fampandrosoana eny ifotony.
Njaka Andriantefiarinesy




