“Tsy natao hanaovana valifaty politika ireo fanadihadiana atao, tsy natao hitsarana mialoha ihany koa. Ny marina no tadiavina.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nanomboka ny fivoriana tsy ara-potoana teny Tsimbazaza, omaly. Nasiany teny tamin’ izany ny fanadihadiana parlemantera momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana nandritra ny fitondran’ny filoha teo aloha, indrindra ny tamin’ny 2019- 2025. Natao hijerena ny fitantanana ny fanadihadiana sy ny fampiasana ny fangaraharana ary ny fahombiazan’ireo volam-panjakana nampiasaina tamin’ ireo programa sy tetikasa, tsenambarotra ary ireo asa samihafa mifandray mivantana na ankolaka tamin’ ny fiadidiana ny Repoblika nandritra izany ny fanadihadiana.
Raha misy fitantanana ara-dalàna sy araka ny tokony ho izy, tokony ho afa-manaporofo an’izany ny antontan-taratasy sy ny fanadihadiana. Raha misy kosa ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny fanararaotam-pahefana na ny fahavoazana, andraikitry ny Antenimierampirenena ny mampiharihary izany ary mampita azy any amin’ireo rafitra mahefa tokony handray andraikitra.
Atao anaty fangaraharana ny fivoriana eny amin’ny Antenimierampirenena ary azon’ ny rehetra arahina. Momba ny raharaham-pirenena ankapobeny, efa misy ny ezaka ho an’ny fanavaozana. Na izany aza, miantso ny governemanta hanamafy ny fandriampahalemana sy ny fifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana izy. Eo koa ny sehatry ny fahasalamana, fandraisana fepetra hisorohana ny fidiran’ ny valanaretina Ebola eto Madagasikara. Volavolan-dalàna fito no hodinihina amin’ izao fivoriana tsy ara-potoana izao.
R. Nd.




