Ho hatsaraina ny fomba fandoavana ny faktioran’ny Jirama amin’ny finday, Mobile Money. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny Jirama, ny Orange Money, ny Airtel Money, ny MVola ary ny Vaomiera mpanadihady parlemantera, hanatsarana ny fomba fiasa amin’ity fandoavam-bola amin’ny finday ity. Maro loatra mantsy ny fitarainan’ny mpanjifa, milaza fa efa voaloa tamin’ny Mobile Money ny saran’ny faktiora, nefa milaza fa tsy naharay izany ny Jirama, ka tojo amin’izao fifanarahana izao.
Mandroso ny fanamboarana ny arabe migodana, « voie rapide », miainga eo amin’ny lalam-pirenena, RN2, fihodinana Antanandava, hatrany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mirefy 9,44 km ity
lalana vaovao ity, hanafainganana sy hanamorana ny fivezivezena, indrindra ny fitateran’entana ataon’ny fiarabe, miainga na mankany amin’ny seranan-tsambo. Amin’ izao dingana farany izao, eo am-pametrahana ny takelaka famantarana ny lalàna ho an’ny fifamoivoizana ny tompon’andraikitra. Hisy koa ny toerana manokana handanjana ny lanjan’ny fiarabe mandalo.
Hatao ny 7,8 ary 9 oktobra ho avy izao, any Manakara, ny fiofanana momba ny sehatry ny lohamenaka, manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Mikarakara azy ny Kentia Formation, tafiditra ao anatin’ny tetikasa Climathon, hanomezan-danja ny vahaolana hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Miisa 30 ny mpandray anjara ho fantenana, ary maimaimpoana ny fandraisana
anjara. Ho tapitra amin’ny 11 septambra ny fe-potoana fisoratana anarana.




