“Alahady ho an’ny Fiainana, fahasalaman ho an’ny fiarahamonina 100%”. Io no tarigetran’ny hetsika ara-pahasalamana tanterahin’ny Institut médical de Madagascar (IMM), ny alahady izao. Ankizy tsy salama, vao teraka hatramin’ny 12 taona, miisa 25, mila fitarafana maika ho fanaraha-maso ny fahasalamany na ho vonjy aina ho azy ireo no hatao échographies pédiatrique maimaimpoana. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny andraikiny eo amin’ny fiarahamonina sy ny politikan’ny RSE ny hetsika. Manoloana ny olana amin’ny fahasalamana izay mbola mahatonga ny fianakaviana maro tsy afaka mitily manokana, manamafy ny ezaka ataony hanohanana ireo tokantrano marefo ny IMM. Ho an’ity andiany voalohany ity, ny fahasalamana sy ny fikarakarana ny ankizy no ifantohana manokana. Hifanome tanana maimaimpoana ho an’ny fahasalaman’ny zaza ireo mpitsabo ankizy sy échographe eo amin’ny IMM. Misoratra anarana amin’ ny laharana maitso 617 no hahafahana misitraka ny tolotra na manatona miaraka amin’ny taratasy avy amin’ny mpitsabo. Nametraka rafitra manokana ny IMM ka voatokana ny lalana handraisana ireo mpisitraka ny hetsika, miaraka amin’ny famantarana mazava manomboka eo amin’ny vavahady fidirana lehibe hatrany amin’ny efitra RSE. Misaraka tanteraka amin’ny sampana vonjy taitra io toerana io.
Tatiana A




