INDRAY MIJERY

Nahatratra 5 355 ny trangana Mpox niseho, 2 598 ireo sitrana ary 23 namoy ny ainy, nanomboka ny 18 desambra 2025 hatramin’ny 25 aogositra lasa teo. Enina ny tranga voamarina ny 25 aogositra, 74 ny distrika voakasika. Nahatratra 241 ny tranga voamarina tao anatin’ny efatra herinandro farany, araka ny voalazan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly.

Ny distrikan’i Betafo sy Manja no hanaovana Caid na ny famendrahana fanafody mamono moka isan-trano. Ny distrikan’i Morondava, faritra Menabe, kosa no hametrahana isan-tokantrano ny Takelaka fanaparitahana fanafody mamono moka (spacial emanator). Vatsian’ny governemanta Amerikana vola ireo paikady ireo, izay eo ambany haitariky ny PMI Evolve, hanomezana tantsoroka ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka hiadiana amin’ny tazomoka eto Mada­gasikara.

Tanterahina nanomboka ny alatsinainy teo, hifarana rahampitso, ny fampiofanana ireo talen-tsekoly sy mpitantsoroka ifotony. Hetsika iarahana amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny tantsoroka an-tsekoly sy ny fitsirihana ara-pedagojia (Desip), Siep ary Diep ao amin’ny Dren Atsimo Andrefana. Miompana amin’ny fitantanana ny sekoly, ny fitantanana ara-pedagojika, ny tantsoroka ifotony ary ny haitarika ara-pedagojika izany.

Partager sur: