Ny fitadiavana, hono, mahazaka maniraka? Ary ny vola fitady… Amin’izany, misy ny mahavatra manaotao foana amin’ny fandikan-dalàna, finoanoam-poana amin’ny fangalarana zaza manana toe-tena varira, ohatra. Tsy vitan’izany misy mahasahy sy mahavita misoloky amin’ny tambajotran-tserasera na finday. Ny mahavariana sy mahavalalanina, misy hatrany no tratra sy voafitaka ambony ihany amin’izany. Nahoana? Ao ny te hanan-karena tampoka tsy misahirana na misasatra. Mahita sy mitsiriritra ny hafa? Izay no hararaotin’ny mpiloky, izay te hanan-karena tampoka tsy ahoan-tsy ahoana koa ka manambaka sy mamitaka ny hafa..Nahoana?
Eo amin’ny fiarahamonina, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany: tsy ilaozan’izay fisiana vola aman-karena tsy fanta-piaviana sy haingana be ary mampanjakazaka ny sasany aza; indraindray, tsy hita mazava hoe nilofo sy nikely aina ary nanam-paharetana amin’ny ataony. Toe-tsaina sy fomba fihariana mila ifampitaizana amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao ny fandehanana amin’ny fahamarinana sy fahitsiana ary faharetana amin’izany? Fa tsy hoe izay manao ratsy na tsy mety no hoe mahomby sy mahazo tombondahiny eo amin’ny fivelomana sy ny fiainana. Izay no mampahazo vahana ny karazana hafetsifetsena, fanambakana, kolikoly…
Araka izany, tsy sarotra sy tsy lavitra ny fanovana na fanavaozana: azo atomboka eo amin’ny tsirairay, amin’ny fiainana andavanandro, amin’izay heverina sy atao rehetra… Mby aiza? Raha samy manadio ny eo anoloany sy ny tokonam-baravarany, hono, ny isan-tokantrano, hadio ny tanàna. Manoatra lavitra no ho izany ny eo amin’ny firenena, raha samy mandeha amin’ny fahamarinana sy fahitsiana ny isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Ahoana àry? Kibo mitsara tena ny tsirairay.
R. Nd.




