Tsara toerana amin’ny kalitao maneran-tany ny cacao malagasy. Nosokajian’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny cacao (ICCO) ho 100% manana tsiro sy hanitra miavaka izy ary manan-danja eo amin’ny sehatry ny fanondranana. Vita sonia, omaly, tetsy Antaninarenina ny fifanarahana stratejika iraisam-pirenena momba ity vokatra ity. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hampiroboroboana ny seha-pihariana eto Madagasikara. Fifanaovan-tsonia nataon’ ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana sy ny Tale mpanatanteraka ao amin’ny ICCO. Dingana iray amin’ny fanatanterahana ny paikady sy drafi-pampandrosoana napetraky ny Filankevitra nasionaly momba ny Cacao (CNC) ny fifanarahana. Ao anatin’izay koa, ny tohana omen’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. « Manohana ity seha-pihariana ity izay reharehan’ny firenena ny fanjakana. Hijery ihany koa ny fomba hampiroboroboana ny fandrosoany izany », hoy ny praiminisitra. Nilaza kosa ny minisitry ny Varotra sy ny fampandrosoana fa miasa mafy hahazoana ny kalitaon’ny vokatra ny mpamboly. Tanjona, hoy izy, ny hanatsarana ny vokatra mba hitazomana sy hanamafisana ny toeran’ny Cacao eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Henintsoa




