Anisan’ny notakina tamin’ny hetsi-bahoaka, tamin’ny taon-dasa, ny fanamaivanana ny vidim-piainana na ny famoronana asa. Mby aiza? Efa ho herintaona sahady izao…Hatramin’izao, tsy hita mazava aloha izay fanovana na fanavaozana. Ny isan-tokantrano no samy manao izay hiatrehana izay vidim-piainana izay, indrindra amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra sy ny fidirana amin’ ny maitsoahitra. Ao anatin’izany ny fanahiana amin’ny tsy fahampiana amin’ny famatsian-drano, mitarika fahavoazana amin’ny famatsiana herinaratra izay misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainana andavanandro. Sarotra sy mafy ary manahirana, nefa tsy maintsy atrehina…
Amin’izany rehetra izany, tsy misy afa-tsy ny fampihenana ny fandaniana isan’andro mandavantaona no hita sy ataon’ny maro. Vao mainka fahoriana ny fihafiana efa ho lava, tsy misy fiovana na fivoarana… Aiza izay fanavaozana amin’izany? Eo indrindra izao… Raha tena misy sy atao ny hoe fanavaozana, ny famoronana asa no tokony himasoana sy izay hampitomboana ny vola miditra, fa tsy ny fandaniana amin’izay ilaina amin’ny fiainana isan’andro no ahena… zary fihemorana tsy fidiny: fihafiana, fijaliana…
Fanovana takina ny famoronana asa na fampitomboana ny vola miditra, fa tsy fandaniana no voatery ahena. Izay no mampandroso. Ahoana ny famoronana asa? Voafetra ny asa azon’ny fanjakana atao amin’ny fampidirana mpiasam-panjakana, fanaovana fotodrafitrasa hampivelarana sy hampitomboana ny famokarana: fanamboaran-dalana, fizarana tany sy fanaovana tohodrano ho amin’ny fambolena, famatsiana angovo… Na izany aza, andraikiny ny fanamorana ny famoronana asa. Mby aiza? Araka izay notakina… Mila politika mazava, tetikasa, fantanterahana… Fa fanovana tokoa no atao.
R. Nd.




