“Anisan’ny tokony hitondrana adihevitra ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena ny fiatrehan’ny mpitondra ankehitriny ny hoavy: anisan’ireo hirotsa-kofidina, ho mpilalao amin’ny fifidianana ve izy sa anisan’ireo mpanomana ny sehatra mba hahazoan’ny rehetra mirotsaka ao anatina fifidianana madio sy mangarahara ?” Io ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, teny Ambatonakanga, omaly, manoloana ny namoahan’ny FFKM ny tetiandro hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena hirosoana amin’ny fifidianana. Fanontaniana lehibe izay ary mety hitondra any amin’ny hoe: hisy demokrasia marina ho tafapetraka indray na tsia aorian’ny fifampidinihana nasionaly? Mba tena ho fihavaozana sy fanavaozana… Fa tsy izay indray no hiteraka korontana sy fihemoran’ny demokrasia eto Madagasikara.
Raha ny tetiandro hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, misy ihany ny fanantenana mahavelombolo. Efa zava-dehibe ny hoe tena fanombohan’izany amin’izay, ary narahina avy hatrany tetiandro tokony hotanterahina. Fambara ny namoahana ny tetiandro fa hanomboka ny fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM. Na izany aza, ho tratra ve, ohatra, ny tanjona amin’ny volana mey 2027 no hivoaka ny fehinkevitra mandravona ny fikaonandoham-pirenena niainga tany amin’ny fokontany ka hatramin’ny sehatra nasionaly? Ho vita ve izay hiatrehana ny dingam-pifidianana hoe hanomboka amin’ny jolay 2027? Ho ampy hahazoana mitondra ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanapariahana ny fehinkevitra ve ny volana jona 2027? Dingam-pifidianana avy hatrany ny volana jolay 2027. “Mampametra-panontaniana ihany raha tsy misy paikady sy enti-manana mazava sy matotra enti-manatanteraka ny fikaonandoham-pirenena”, hoy izy.
R. Nd.




