Mission économique Canada: Miara-miasa ny Cancham sy ny FinTech

Vita sonia ny alarobia teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny fiaraha-miasa Kanada-Madagasikara (Canc­ham) ary ny FinTech sy ny Vanilla Pay International. Tan­jona ny hanamora ny fandoavam-bola sy hahafahan’ny orinasa malagasy miditra amin’­ ny tsena kanadianina. Hisi­traka izany voalohany ireo mpandraharaha handray an­jara amin’ny Mission économique et commerciale au Canada (Mecc), andiany fahasivy, izay hatao ny 26 oktobra hatramin’ny 7 novambra. Hi­fan­toka amin’ny fizahantany sy ny fanabeazana sy fihaonan’ny samy mpandraharaha ny hetsika, hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra.
« Hampifandray ireo mpisehatra sy mpandraharaha ny fiaraha-miasa amin’ny Can­cham », hoy ny filohan’ny fi­kambanana FinTech sady tale jeneralin’ny Vanilla Pay Inter­national, Randriamana­mihaja Andry. Notohizany fa mila misokatra amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasi­kara, indrindra eo amin’ny sehatry ny fambolena, ny tanora ary ny fizahantany. Kendrena ao anatin’ny fiaraha-miasa, hoy izy, ny hampiroborobo ny fampiasana ny teknolojia ara-bola.

Fifanakalozana
« Natao hanohanana ireo malagasy mpandraharaha handray anjara amin’ny Mecc ny fiaraha-miasa », hoy ny ny filohan’ny CanCham, Ratovo­ma­nana Ando Lalaina. Tan­jona, hoy izy, ny hanamora ny fifanakalozana ara-bola, in­drindra ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny fizahantany. Mari­hina fa miisa 83 ireo orinasa malagasy nandray anjara tamin’ny Mecc hatramin’ny taona 2017. Tamin’ny andiany fahavalo, nahatratra 5,19 tapitrisa dolara ny sandan’ny fifanakalozana, raha miisa 908 ireo fihaonan’ny samy mpandraraha.

Henintsoa

 

Partager sur: