Tsapan’ny fanjakana ny zava-bitan’ireo oloben’ny tontolo iainana eto amintsika. Izany no nahatonga ny teratany malagasy, Pr Ratsimbazafy Jonah sy ny teratany vahiny roa notolorana mariboninahi-pirenena, omaly.
Rariny sy hitsiny raha omena lanja ny olona sy mpisehatra nahavita ezaka lehibe ho an’ny firenena. Notontosaina omaly, teny amin’ny Lapan-panjakana Iavoloha, ny lanonana fankasitrahana ireo manampahaizana sy mpikaroka andrarezina amin’ny fiarovana ny zavaboahary sy ny tontolo iainana. Teratany malagasy ny iray, ny profesora Ratsimbazafy Jonah Henri, mpahay ny varika, efa tsy zovina amin’ ny rehetra intsony. Samy nampiakarina ho “Commandeur de l’Ordre National Malagasy” kosa ny Pr Steven Michael Goodman sy ny Dr Russel Alan Mittermeie. Nanome voninahitra manokana ity fotoana ity ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ireo Mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana efatra mirahalahy ary ny lehiben’ny mariboninahi-pirenena, ny jeneraly Ranjeva Marcel. Nitodika manokana tamin’ny Pr Ratsimbazafy Jonah ny filoha. Niaiky ny lanjan’ny fikarohana nataon’ity profesora ity ny tenany. « Zava-dehibe loatra ny fikarohana nataonao. Tsy ho an’i Madagasikara ihany izany fa ho an’izao tontolo izao », hoy izy.
Nankasitraka manokana ireo vahiny roa mpikaroka ihany koa ny filoha Randrianirina Michaël. Notsoriny, fa « mino izahay fa mijanona ho ohatra tsara ho an’ny mpikaroka sy ny mpisehatra amin’ny tontolo iainana maneran-tany ny zava-bitanareo ». Nisaorany koa ireo mpiara-miombon’ antoka rehetra, sady nohamafisiny fa manohana azy ireo hatrany ny fanjakana. « Tsy firenena voaozona i Madagasikara fa notahian’Andriamanitra sady manana ny hasiny ka tokony hokolokoloina mba ho afaka ipetraka ho modely ho an’izao tontolo izao », hoy ihany ny filoha.
Njaka Andriantefiarinesy




