SADC : “Ny samy Malagasy ihany no hanao ny dinika nasionaly”

Namaly ny fanontanian’ireo parlemanta afrikanina momba an’i Madagasikara ny filohan’ny SADC. Nambarany, tamin’­izany, fa ny samy Malagasy ihany no hanao ny dinika nasionaly.

Niankina tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ma­lagasy ny SADC, araka ny valintenin’ny mpitarika ny SADC sady filohan’i Afrika Atsimo, Matamela Cyril Ra­ma­phosa, tamin’ny parlemanta afrikanina tatsimo nanon­tany ny toe-draharaha eto Madagasikara, tao Cap Town, taorian’ny namoahan’ny FF­KM ny tetiandro hanatanterahana ny dinika nasionaly ho fanarenana an’i Madaga­sikara, tamin’ny 25 aogositra lasa teo. Nekena ny fahabangan-toerana teo amin’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fitantanam-panjakana teto Madagasikara, taorian’ny fialan’ny filoha teo aloha. Koa ny filohan’ny Fanavaozana amin’­ izao no nandray izany andraikitra izany.
Rehefa nanombana ireo dingana efa natomboka sy ny mbola fanohizana izany ny SADC, nihevitra fa tokony hanohana ny dingana. Efa nisy rahateo ireo fanaraha-mason’ny olobe iraka manokan’ny SADC teto an-toerana. Tamin’izany no nahitana fa mitondra mankany amin’ny fanavaozana na fanorenana indray ny Repoblikan’i Mada­ga­sikara ny dingana atao sy mbola hatao. Ao anatin’izany ny tetiandro sy ny sori-dalana hirosoana amin’ny fifampidi­nihana nasionaly. Nanaraka tsara ireo fepetra takin’ny SADC ny manampahefana malagasy nanolotra ny tondrozotra na ny tetiandro hiverenana amin’ny lamina araka ny lalàmpanorenana. Mam­pi­seho izany fa misy ny fahamatorana eo amin’ny governemanta hiroso amin’ny fanatanterahana ny dinika nasionaly ho fanavaozana an’i Madaga­sikara. Tsy maintsy ny samy Malagasy ihany no hitarika sy hanatanteraka an’izay. Ho voafetra amin’ny fanomezana fanohanana ara-pitaovana sy fanangonana vaovao eny ifotony ary fandefasana ny vondron’ny olobe ny anjaran’ny SADC. Ny hampanjakana ny filaminana sy ny fampihava­nana no tanjona.

R. Nd.

Partager sur: