VAOVAO TAMBATRA

Ahemotra amin’ny talata 1 septambra, amin’ ny 7 ora maraina, ka hatramin’ny alarobia 2 septambra amin’ny 7 ora hariva, ny fanapahan-dalana mahaka­sika ny fametrahana ny tetezamby (pont bailey) eo amin’ny tetezana Berivotra RN4, PK 520+10. Tsy misy ny lalam-piviliana azo ampiasaina mandritra ny fanatanterahana ny asa. Iangaviana ny mpampiasa lalana rehetra hanaraka sy hanaja ny toromariky ny tomponandraikitra eny an-toerana.
Hampiroboroboana ny fambolena any amin’ ny faritra 4 (Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Vakinan­karatra ary Betsiboka) ny tetikasa Papam-2. Mamatsy vola azy ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), ary tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA). Tanjona ny hanatsarana ny famokarana ara-pambo­lena sy ny fiveloman’ny tantsaha ary indrindra ny fari-piainany.
Hisy toby vaovao hatsangana mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 200 MW. Ho mora kokoa ny saran’ny herinjiro satria ho vidina 0,85 dolara ny 1 Kwh. Mbola hihoatra an’io tanjaka io no ho vita satria efa mandeha ihany koa ny antso tolobidy amin’ny mpandraharaha tsy miankina samihafa. Tanjona ny hamokarana angovo madio sy azo havaozina manontolo eto amintsika.

Partager sur: