CREM : Mandroso ny faritra misy indostria vaventy

Maneho hevitra ny mpahay toekarena, Andrianantoanina Jonah, anisan’ny mpanorina ny Vovonana mandalina ny toekarena eto Madagasikara (Crem). Nasiany teny ny fampandrosoana entin’ny indostria vaventy eny ifotony.

Nasongadiny fa afaka ma­nova faritra iray manontolo ny indostria vaventy ao an-toerana. Satria, tsy mionona fotsiny amin’ny orinasa indostrialy fa mahakasika sehatra maro, toy ny fotodrafitrasa, ny asa miforona ary orinasa madinika miara-miasa aminy. Porofo mivaingana anehoana izany ny QMM any Taolagnaro, izay miroborobo tokoa, ankehitriny, ny fotodrafitrasa ara-angovo, ahitana foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, fa indrindra ny fa­mokarana herinjiro avy amin’ny rivotra, voalohany eto Madaga­si­kara. Mahatonga an’i Taolag­na­ro ho tanàna voalohany misitraka ny fiampitana mankany amin’ny angovo madio izany. Mandroso koa ny famatsian-drano sy ny fanamboaran-dalana any an-toerana.
Notsipihin’Andrianatoanina Jonah, fa miteraka fifanakalozana ara-toekarena sy ara-barotra maro ny tetikasa in­dostrialy vaventy. Mahatratra 400 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolan’ny QMM ho an’ny fananganana fotodrafitrasa isan-karazany, toy ny lalana, ny herinaratra, ny rano sy fidiovana. Ho an’ny orinasa Ambatovy, any Moramanga sy Toamasina, nisy fotoana na­nokanany tetibola 250 tapitrisa dolara nividianany entana sy tolotrasa tamin’ny orinasa teo an-toerana. Toy ny fanamiana ho an’ny mpiasa, voankazo sy legioma tamin’ny mpamokatra, ny fanadiovan-trano, ny fanofana fiara, sns.

Hatao fitaratra
Ho an’ity mpahay toekarena ao amin’ny Crem ity, tokony ho ataon’ny tetikasa harena an-kibon’ny tany fitaratra, toa an’i Toliara, ny fandrosoana hita any Taolagnaro. Hampitombo ny fihariana ara-toekarena sady hampitombo ny fotodrafitrasa izany. Tsy miantraika fotsiny amin’ny harinkarena faobe (PIB) fa indrindra, hiteraka asa, hampiroborobo ny orinasa madinika ao an-toerana ny fampiasam-bola ary ny tondro ara-toekarena samihafa. Manodidina ny 890 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola andrasana any Toliara, izay tsy mbola ahitana orinasa indostrialy vaventy hatramin’izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: