Mpifankatia tsy mifamarafara, ady no farany. Vao mainka ny amin’ny raharaham-pirenena amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao… Mahasaro-piaro fa samy tompony, samy manana andraikitra fa tsy misy ailika na mihalangalana, ady fiady fa tsy tokony hiverina intsony ny krizy politika tsy mahafa-bela izay ela izay… Amin’izany, mila mifankahazo ny resaka hisian’ny fifampitokisana sy handrosoana. Ndrao mifanosika na miady an-dalana… Mila mazava sy ifankahazoana izay atao sy aleha? Na amin’ny antsipiriany na manontolo. Nahoana?
Tanàna tsy ilaozan’adala, ka aleo mifanara-maso, mifampiambina, mifampitandrina… Tsy vitan’izany, misy hatrany ny fanakiana etsy sy eroa, adihevitra, fanontaniana mila valiny… Fakan-kevitra politika sa dinika politika, ohatra, no hoe atao amin’izao mialoha ny fikaonandom-pirenena na dinika nasionaly izao? Ny fakan-kevitra politika, manangon-kevitra fotsiny; avy eo, ny tompon-draharaha na ny mpaka hevitra no mandravona sy mamoaka fehinkevitra na manapa-kevitra. Fifanakalozan-kevitra sy adihevitra kosa ny dinika politika, fifandresen-dahatra amin’izay handrosoana.
Inona koa, ohatra, ny lohahevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena: ny lafiny politika toy ny fandrafetana lalàmpanorenana sy lalàm-pifidinana ihany ve, ohatra, sa izay hamaliana ny hetahetam-bahoaka nidinana an-dalambe, ka mety ho voaresaka ho azy ny sehatry ny fahasalamana, fampianarana, famoronana asa… ? Mila mifankahazo ny resaka, hifampitokisana. Ndrao izay natao hifandaminana indray no mampiady an-toerana. Fanazavana mitohy ary amin’ny antsipiriany sy manontolo no ilaina, fa maro ireo lafin-javatra mety tsy ifankahazoana amin’izao toe-draharaham-pirenena manahirana izao. Izay no androsoana. Mby aiza?
R. Nd.




