Salon de l’Auto : Hasongadin’ny GCam ny teknolojia niomerika

Andiany roa miaraka! Hatao ny 25 hatramin’ny 27 septambra, sy ny 1 hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao, eny amin’ ny CCI Ivato, ny Salon de l’Auto Madagasikara. Mikara­kara azy ny Vondrona mpanafatra fiarakodia eto Madaga­sikara (GCam). Lohahevitra noraisina amin’ireo andiany roa ireo ny hoe: « fivezivezena lalintsaina » (Mobilité intelligente), manaraka ny fivoaran’ny teknolojia niomerika, ka tsy afaka miala amin’izany koa ny sehatry ny fiarakodia sy ny tontolony. Mampiavaka manokana ity andiany faha-15 ity ny hetsika indroa misesy voalaza etsy ambony. Ahafahan’ny mpitsidika mahafantatra bebe kokoa ireo zava-baovao asehon’ireo matihanina mandray anjara izany. Ho hita ao avokoa ireo mpanafatra fiara vaovao eto Madagasikara, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpisehatra mifandraika amin’ny sehatry ny fiarakodia.
Tsy tongatonga ho azy ny lohahevitra, satria mivoatra ny teknolojia, ary manaraka izany onja izany koa ny sehatry ny fivezivezena. Mpanohana stratejika hatramin’izay ny Yas Business, nanomboka ny taona 2013. Banky ofisialy ny Bred Madagasikara ary zava-pisotro ofisialy ny Coca Cola. Eo koa ireo mpiara-miombon’antoka marobe. Toy ny mahazatra, misy ny tombola karakaraina, ahazoana loka samihafa, toy ny fiara, moto, sns.

Njaka A.

Partager sur: