Natolotra ny Madagascar National Parks (MNP) tamin’ny fomba ofisialy, ny 28 aogositra teo ireo fanamiana sy kojakoja manokana (EPI) ilaina amin’ny famonoana afo. Nahatanterahana izany ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Baroudeur Massilia Pompier du Monde, any Frantsa. Nasongadin’ny talen’ny Faritra arovana sy ny harena voajanahary (DAPRNE), Ramatoa Ratefason Tojotsara, ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), fa fanamiana sy kojakoja ho an’ ny mpiasa manatanteraka ny famonoana afo ireo azon’ny MNP ireo. « Tonga ara-potoana tokoa ireto kojakoja EPI ireto satria hiditra amin’ny vanim-potoan’ny afo isika izao. Ilaina ny miomana amin’ ny fitaovana hiatrehina izany. Ny volana oktobra no tena maro ny trangan’afo, indrindra any atsimo, atsimo andrefana ary andrefan’ny Nosy », hoy ihany izy.
Miisa 984 ireo fanamiana fiarovana (EPI) ireo. Hanampy betsaka amin’ny fiarovana ny mpamono afo sy amin’ny fanajana ny fenitra ara-tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny asa, araka ny fenitra iraisam-pirenena ISO 45001 izany. Nilaza ny talen’ny Asa ao amin’ny MNP, Rajaonarivo Aro, fa “haparitaka any amin’ireo Faritra arovana (AP) miisa 11 tantanin’ny MNP ireo fitaovana ireo. Hisy koa ny fanofanana ny mpiasan’ny MNP tohanan’ny Association Baroudeur Massilia Pompier du Monde”.
Njaka A.




