Fantina sy fintina

Ratovomalala Mamy Roger no voatendry ho ambasadaoron’i Madagasikara any Royame-Uni, Grande-Bretange, araka ny filankevitry ny minisitra notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny faran’ny herinandro teo.

Anjaran’ny Ceni ny mampiseho ny fahaiza-manaony amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, ny faran’ny herinandro teo. Eo koa ny vola nomena azy sy ny haitarika ataony fa mendrika fahatokisana izy amin’ny asany. Fa tsy hoe avy raha misy ny tsy fetezana dia tsy manao ny anjarany ny antoko politika.

Azo antoka fa ho tratra ny fanatanterahana ny fifidianana na fitsapankevi-bahoaka amin’ny volana jolay 2027, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Antony, ny fahazoana antoka ny lisi-pifidianana amin’ny 25 avrily 2027, raha ny taham-pahavitrahan’ny olom-pirenena misoratra anarana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana.

Nanomboka teny amin’ny CCI, Ivato, ny faran’ny herinandro teo, ny fampiofanana momba ny fakan-kevitra eny ifotony amin’ny fikaonandoham-pirenena. Mpi­kambana eo anivon’ny FFKM miisa 510 no niofana ho an’Antananarivo. Hitohy eny anivon’ny Faritra sy distrika ary kaominina izany, amin’ny 1-31 septambra, mialoha ny tena fakan-kevitra eny anivon’ny kaominina manomboka ny oktobra.

Partager sur: