Nampiato ny asa ao amin’ny toeram-pitrandrahana ao Mandena, Taolagnaro ny QIT Madagascar Minerals (QMM) noho ny fisian’ireo sakan-dalana eo amin’ny fidirana mankany amin’ny toeram-piasana. Tranga niseho tao anatin’ny telo herinandro. Niteraka fahatapahan’ny fidiran’ireo mpiasa, mpiara-miasa ary mpiantok’asa ao amin’ny toeram-pitrandrahana ireo sakan-dalana ireo. Vokany, najanona ny asa fitrandrahana raha mitohy kosa ireo asa tena ilaina mifandraika amin’ny fiarovana ny olona sy ny fotodrafitrasa. “Natao hiarovana ireo olona sy hiantohana ny tontolon’ny asa azo antoka ny fanapahan-kevitra noraisina”, raha ny fanazavan’ny QMM. Ankilany, mbola nitohy ny 27 aogositra ny sakan-dalana na efa nisy aza ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Nohamafisin’ny QMM fa vonona hatrany ny orinasa hifampiresaka amin’ireo ankolafy rehetra voakasika, ary manohana ny fepetra rehetra hahafahana mamerina ny toe-draharaha amin’ny laoniny. Miverina kosa ny asa rehetra rehefa tomombana ny toe-draharaha hiantohana ny fiarovana ny olona sy ny fahalalahan’ny fifamoivoizana ao amin’ny toeram-pitrandrahana.
Henintsoa




