Basikety – Mada U16, tovovavy: Lavon’ny Pintade ny Ascut

Notanterahina ny alakamisy lasa teo ny dingana ampahavalon-dalana iadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja basikety, sokajy U16, lahy sy vavy.  Fihaonana atao any Amoron’i Mania. Anisan’ ny vokatra nisongadina ny fandresen’ny Pintade Amo­ron’i Mania ny Ascut Atsinana­na, tamin’ny isa tery 58 no ho 53, ho an’ny tovovavy. Lalao niady hatramin’ny farany. Na­naporofo izany ny elanelanisa teo amin’ny roa tonta. Nifan­dimbiasana hatrany ny nitarika ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tombony ho an’ny Pin­tade ny filalaovany teo amin’ny kianjany sy manoloana ireo mpanohana. Ho an’ny tovolahy, nihintsana avokoa ireo heverina ho goavana, toa ny Cosfa izay lavon’ny JSB, tamin’ny isa mazava 77 no ho 55 ary ny MB2 All niondrika teo anatrehan’ny AS Montfort, 67 no ho 44. Toy izany koa ny Fandrefiala izay lavon’ny NAS, 53 no ho 50. Mbola manohy ny diany kosa ny AS ST Michel, nanilika ny NBE, 65 no ho 41. Nahazo ny tapakilany ihany koa ny Ascut, nandresy ny UBCM tamin’ny isa 69 no ho 43.

Tompondaka

Partager sur: