LFI 2027: laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa ara-toekarena

Natao omaly, teto Antananarivo, ny Fikaonandoham-paritra ho an’ny tetibola 2027, ho an’ny faritra Analamanga. Amin’ny ankapobeny, hatao laharam-pahamehana ny fanavaozana sy ny fananganana fotodrafitrasa ara-toekarena.

Tanterahina manerana ny faritra 24 ny Fikaonan­doham-paritra ho an’ny tetibola 2027 mba handrai­sana ny filàn’ny mponina eny ifotony amin’ny fampandrosoana. Ho an’ny faritra Anala­manga, nojerena ny tetikasa sy ny fanavaozana tena ilain’ ny vahoaka ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodi­dina. Tanjona ny hampifanaraka ny volavolan-dalàna mi­fehy ny fitantanambolam-panjakana amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Mandray anjara avokoa ny sokajin’ olona rehetra, ny olom-boa­fidy, ny voatendry, ny firaha­monim-pirenena, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF).
Nambaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr Ramiarison Herin­jatovo, omaly, fa tsy maintsy jerena aloha ny vola miditra amin’ny fanjakana sy ny eny amin’ny faritra sy kaominina hahafahana mandrafitra ny tetibola.
Faritana ny laharam-pahamehana isaky ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (Faritra sy Kaominina) eo ambany fiahian’ny minisite­ran’ny Atitany, sy ny eny amin’ ny Sampandraharaham-panjakana isam-paritra eo am­bany fiahian’ny isaky ny minisitera. Nasongadiny fa anisan’ ny tena laharam-pahamehana eto Analamanga sy itovizan’ny faritra ny fanarenana ireo fotodrafitrasa ara-toekarena.
Fampidiran-ketra

Anisan’ny fidiram-bolan’ny fanjakana sy eny amin’ny faritra ny hetra. Nohitsin’ny minisitra Ramiarison Herinjatovo, fa iaraha-mahalala ireny fampahalalam-baovao, toy ny omen’ny Transparncy Interna­tional, fa manjaka ny kolikoly eto amintsika. Ambany, tsy mihoatra ny 11% ny tahan’ny fampidiran-ketra miohatra amin’ny Harinkarena faoibe (PIB) eto Madagasikara, raha 15 hatramin’ny 18% ho an’ny firenena mitovitovy laharana fampandrosoana amintsika. Tsy maintsy harenina izany, araka ny toromariky ny filo­han’­ ny Fanavaozana ny Repo­blika, ny amin’ny tsy handeferana mihitsy manoloana ny kolikoly.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: