Sobim-baovao

Hotanterahina eny amin’ny Kianja Andoha­tapenaka ny fiofanana ho an’ireo mpamonjy voina, eo amin’ny taranja rugby, ny tontolo andron’ny alakamisy 3 septambra ho avy izao. Hitarika izany ireo dokotera manampahaizana eo anivon’ny Malagasy Rugby.

Lasan’i Balôty sy i Lova ary i Bondy ny amboara teo amin’ny fiadiana ny Mondial de la ville de Bron, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina tany France, ny alahady lasa teo. Adin’ny samy Malagasy ny famaranana, satria ny ekipan’i Tonnerre sy i Tafita ary i Mika no resin-dry zalahy teo amin’io famaranana io.

Vehivavy mpilalao basikety miisa 6 nan­tsoina hiatrika fampivondronana nanomboka omaly, ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompon­daka maneran-tany amin’ny basikety 3 x 3 ho an’ny sokajy U23. Fihaonana hatao any Wuhan Shi, Hubei Chine, ny 15 hatramin’ny 19 septambra ho avy izao.

Partager sur: