Karazam-bary Besalohy: mety amin’ny faritra rehetra, mamokatra 6t/ha

Dingana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny fambolem-bary eto Madagasikara ny famolavolana ny karazam-bary vaovao “Besalohy”. Vo­ka­tra azo avy amin’ny fiaraha-miasan’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra (Fofifa) sy ny Japan Interna­tional Re­search Center for Agricultural Sciences (Jircas) izy io. Tsara kalitao sy miavaka amin’ny endriny ary ny fofony ny vokatra avy aminy. Mi­fanaraka amin’ny toe-tany eto amintsika izy ka mandray anjara amin’ny famokarana vary marim-pototra sy maharitra, indrindra amin’ireo tanimbary tsy dia lonaka. Maha­tratra 6 taonina isaky ny hektara ny vokatra ary azo ambolena amin’ny vanim-potoana rehetra. Ankilany, niara-nanatanteraka ny voka-pikarohana, nanomboka ny taona 2021, ny Fofifa sy ny Jircas ka anisan’ireo toerana nanaovana ny andrana ny tao Kianjasoa, Itasy, Toamasina, Ankazomi­riotra. Tetikasa izay samy nahomby sy nahazoam-bokatra avokoa.
Vokatry ny teknika molekiolary amin’ny fanatsarana karazam-bary ny Besalohy. Nandalo dingana samihafa izy, miantoka ihany koa voka-bary any amin’ireo tany mantamanta sy tsy dia lonaka loatra. “Mihaino ny filàn’ny tantsaha sy mijery ny zava-misy izahay. Tanjona ny hanatsara hatrany ny vokatra azo”, hoy ny tale jeneralin’ny Fofifa, Pr Jean Michel Leong Pock Tsy, omaly, teny Antaninarenina, nandritra ny fampahafantarana ity karazam-bary vaovao ity. Ankoatra izay, manana tsingerim-piainana manodidina ny 3 volana ny vokatra ary azo ampiasaina ho ambioka indray.

Henintsoa

Partager sur: