Nosy Sakatia: misongadina ny soka-dranomasina

Manana sata Faritra arovana an-dranomasina sy an-tanety (APMT) ny Nosy Sakatia any Nosy Be, faritra Diana. Mirefy 600 ha ny velaran’ny ranomasina, miampy ny tanety 500 m manodidina ny ranomasina. Mirefy 6km ny lavany ary 2 km ny sakany. Ahitana tanàna telo (Ampasindava, Ampasimena, Antana­be). Mivelona amin’ny jono sy ny asatanana ny mponina. Nilaza ny filohan’ny VOI Sakatia, Ramatoa Be Elisa Laurie, fa « mahasarika mpizahatany maro any an-toerana. Anisan’ny harena voajanahary mampiavaka ny Nosy Sakatia, ny soka-dranomasina na Fano, tafiditra ao anatin’ny biby arovana. Any no ahitana ny toerana manokana eny amorontsiraka, fanatodizan’izy ireo. Koa, azo hampiroboroboana tsara ny fizahantany ekolojika, sady mampakatra ny fara-piainanay VOI sy ny mponina ankapobeny, satria miteraka asa sy mampidi-bola ».
Azo tsorina fa tsy mbola voakitika ny harena voajanahary any an-toerana. Ahitana voninkazo « orchidées » maro, vorona, varika, sns, ny an-tanety sy atiala. Miampy ny hazandranomasina maro samihafa izany. Azon’ny mpizahatany atao ny « snorkeling » mijery ny tontolo samihafa anaty ranomasina.

Njaka A.

Partager sur: