Taranja Judo: atleta malagasy efatra hiofana any Kosovo

Ho fanamafisana sy fitrandrahana ny paikady vaovao enti-miakatra eny an-kianja, atleta malagasy efatra hiofana telo volana, any Kosovo, manomboka amin’ity volana septambra ity.

Atleta malagasy efatra amin’ny taranja judo: roa lahy, roa vavy no fantatra, afakomaly, fa handeha hiatrika fiofanana “Training Camp” any Kosovo, mandritra ny telo volana. Hanomboka amin’ity volana septambra ity izany. Ho an’ny vehivavy, Rasoanaivo Laura sy Razafindrakalo Natacha no hiatrika izany. Ny lehilahy kosa, ahitana an’i Yacinthe Angelo sy Ravelojaona Rayan.
Marihina fa fiofanana natao hanomanana sahady ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2027 izay hotanterahina atsy Alzeria izy ity. Ankoatra izay, handray anjara amin’ny fifanintsanana samihafa ao Eoropa koa ireo atleta ma­lagasy ireo. Zava-dehibe ho an’ny Malagasy izany, hahafahana manangona isa, hoenti-mikatsaka ny tapakila handraisana anjara amin’ny Lalao Olympika (JO) 2028 any Los Angèles, Etazonia.
Tsara ny mampahatsiahy fa Rasoanaivo Laura, sokajin-danja (-70 kg), dia efa niatrika ny JO tao Paris, ny taona 2024 lasa teo. Raha ny fikarohana natao, mipetraka eo amin’ny laharana faha-20 ma­neran-tany amin’ity taranja ity ny tenany. Inoana fa aorian’izao fiofanana izao, ho tsara hatrany ny vokatra azon’ireo Judokas sy Judokates mala­gasy amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena maro hatrehiny.
Noraisin’ny filohan’ny Afri­ka Judo, Randrianasoloniaiko Siteny, teny Tsimbazaza, afakomaly, ny delegasiona malagasy izay notarihin’ny filohan’ny Federasiona, Bruno Eric Saïd.

Fitia Randria

Partager sur: