Tontosaina nanomboka omaly, tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy seniors, lahy sy vavy. Raha ny fanadihadiana natao, omaly, teny an-toerana, miisa fito ireo ekipa vehivavy mifaninana. Toa an’ny My-Sah avy any Itasy, ny THBC Analamanga, ny Sofia Misoma, ny SRB Boeny, TMI Ihorombe, Hasin’i Toamasina ary i Bongolava. Miisa folo kosa ireo ekipa lehilahy, ahitana ny Littoral Tamatave, ny SRB Boeny, ny Sofia Misaoma, ny Cosfa, ny ASSM, ny HC-Est Tulear. Manampy ireo ny Cosa Antsiranana, ny Hasin’i Toamasina, ny CHBF Fianarantsoa ary ny Asmo Menabe. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny handball (FMHB), Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa, omaly, fa “ity ny fifaninanam-pirenena sokajy séniors voalohany notarihiny ary hentitra izy ho an’ireo klioba mikasa ny hitarika fanakorontanana”. Ankoatra izay, maro, hoy izy, ny zavatra miandry ny ekipa nasionaly sokajy vehivavy. Anisan’izany ny « IHF Trophy seniors » izay hotontosaina eto Madagasikara, ny 29 septambra – 4 oktobra ho avy izao. Nambarany koa fa raha tsy misy ny fiovana, hisy fifaninanana handball ny lalaon’ny Nosy izay hatao atsy Comores, ny taona 2027 ho avy izao.
Fitia Randria




