Nihaona tamin’ireo ambasadaoro malagasy any ivelany miisa telo vao notendrena, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ny minisitra N’Diaye Alice. Nampahatsiahivany ny andraikitry ny tsirairay sy ny zotra itondrana ny diplomasia malagasy izany. Eo ny fampiroboroboana ny endrik’i Madagasikara any ivelany sy ny fiarovana ny tombotsoan’ny firenena ary ny fiarovana sy fanetsiketsehana ireo Malagasy am-pielezana.
Nanolotra ny dika mitovy ny taratasy fanendrena azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice, teny Anosy, afakomaly, ny ambasadaoron’i Frantsa, i Jean-Marc Grosgurin. Nisy ny jery todika ny fiaraha-miasa marolafy eo amin’ny firenena roa tonta, nanamafisana ny fahavononana hamita ny fiaraha-miasa vofaritry ny filoham-panjakana roa tonta tany Paris, tamin’ny febroary 2026.
Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, tao amin’ny biraony, omaly, ireo solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena eo anivon’ny Antenimierampirenena. Nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ ny roa tonta ny dinika.




