Hisitraka ny tombontsoan’ny African Growth and Opportunity Act (Agoa) hatramin’ny 2028 i Madagasikara. Fanapahan-kevitra tapaka taorian’ny latsabato nataon’ny Parlemanta amerikanina, ny 1 septambra teo, izany.
Lany nandritra ny latsabato nataon’ny Parlemanta amerikanina, tamin’ny isa 370 no ho 48 ny volavolan-dalàna “HR 6 500” hanohizana ny African Growth and Opportunity Act, hatramin’ny 31 desambra 2028. Volavolan-dalàna izay efa nankatoavin’ny Antenimierandoholona amerikanina, ny 8 aogositra, tsy nisy fanitsiana. Ankehitriny, miandry ny fankatoavan’ny Filoha amerikana, hahatonga ny fanitarana hanan-kery isika. Dingana lehibe eo amin’ny sehatry ny fanondranana malagasy ny fanalavana ny Agoa, noho izy manamafy ny fahatokisan’ny mpampiasa vola amin’ny tsena amerikanina. Vokatry ny fitarihana ara-barotra nataon’ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana sy ny fiaraha-miasan’ireo sampandraharaha teknika voakasika ary ny ezaka sy ny asa teny ifotony nataon’ny masoivohon’i Madagasikara any Etazonia, Rakotomalala Lantosoa, ny dingana vita. Tanjona ny hanohizana ny adisisika ka hanitarana hatramin’ ny 10 taona ny fanondranantsika entana any an-toerana. Tetikasa izay hipaka mivantana amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fampiasam-bola ary hanamafy ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta.
Firenena afrikanina
Nanomboka ny taona 2000, nanome fahafahana ho an’ireo firenena afrikanina hanondram-bokatra samihafa tsy andoavana haba, hiditra any Etazonia, ny Agoa. Ho an’i Madagasikara, misitraka izany ny sehatry ny lamba. Ity farany izay anisan’ny mamelona ny toekarena sy mampiasa olona aman’alina ary mampidi-bola betsaka amin’ny kitapombolam-panjakana.
Henintsoa




